Afa-po

Afa-po tahaka ny fangala-piery,
Efa tofoka aho ka aoka izay,
Aleoko aho singan’ olo-manirery
Toy izay roa ka hifampahory
Fantatrao ny efa tsy fitiavako,
Ka ny mety dia misaraka ihany
Andeha vonjeo ‘lay toeranao fahiny
Nakipaky ny sasany ka mba akipakay.

Mba henoy izay zavatra ho teneniko
F’ aza dia sendaotra ambony ihany
Na tsy tianao aza ny tenako, Ndrematoa ô!
Ny soa nifanaovana ataovy ao an-tsaina,
Ianao no namoizako ny hafa,
Ianao no efa nantenaiko,
Ka avelao aho mba hialokaloka eto,
Ny andro efa alina, ny tenako malemy
( Nakipaky ny sasany , ka mba akipakay ).