Bakobako Roa

Jereo kely jereo kely ireto voromailala,
Ireo modely izay tokony hotahafin’ny mana-malala,
Ny azy ireny dia hajainy tokoa ny fitia
Azo toky, fady izay mba hania.
Ka mandra-maty dia tsy mba lefy ilay fttia mitafotafo,
Fa isan’ andro indreo miaina rotsirotsy sy safosafo,
Tsy omby zato, f ‘isan’ ora ny feony no re
Re tsy miato mamerimberina hoe:

Bakobako roa! ry tiako tokoa
Ry mamiko indrindra, tsy hay ovana na hafindra
Anao Rahavako itony fitiavako,
Ny fo sy ny saiko, ny tenako anao ka hanjakao

Bakobako roa! ry tokon’ ny fo
Ny hiova fitia amin-tsika dia atao sanatria,
Raha mbola mitempo ny fo ( Matokia )
Na inona loza hanjo ( Sanatria )
Ry tiana tsy roa, bakobako roa