Injay Feom-Boro-Mikalo

Injany feom-boro-mikalo
Naseran’ ny rivo-mandalo
Kinanjo ny vokany ho’ aho
Nanjary toa mampitalaho

Jereo ’ty andro mipaoka
Ny aizina dia lasa voaroka
Kinanjo manjombona ihany
Fa izany no fomban’ ny tany.

Ny tany, ny hatanorana
Dia tena tsy tomombana akory
Raha izany no hiafarana
Anio dia mandeha matory