Kanefa Ianao Tsy Tonga

Kanefa ianao tsy tonga – Henri RATSIMBAZAFY – Voahirana

Ny tsara indrindrako no efa narindrako mba ho kilalao,
Ny vetson’ny foko no he nokaloiko handraisako anao,
Kanefa ianao tsy tonga fa nataonao somonga nataonao kialao ny fitiavako anao.

Misosa tsy hay fefena ny ora sy fotoana
’zay hita sy jerena dia toa manaitra foana.
Raha vao misy nitranga, ny masoko efa ranga
fa toa manangasanga eny lavitra eny ianao.
Nefa indrisy fa nangaina fa ianao ’zay nantenaina
tsy niseho fa hafa no hita teo.

Vao henoko nipaika ’lay ora izay nomena
dia injao mitempo maika ny foko manantena
voalamiko daholo ny akanjo sy ny volo,
ny masoko efa folo mikaroka anao.
Mierika etsy sy eroa, may ka atao ahoana moa ?
indrisy anefa, ’lay nofy dia nilefa
kanefa hatramizao dia mbola tiako ianao