Lay Takariva Kely

‘Lay takariva kely
tery amoron-kady
Toa volana tantely
nandramanay sahady
Tery am-pita kosa
ireo kirihitr’ala
Ny vorona misosa
Mihira ray lala

Ny rahona misaly
Toa lapa volamena
Isika samy faly
Fa tsara fanekena

Ny riana any an-koatra
Hanatona ny ony
Ny foko izay mandroatra
Fa tia tsy mitony.

Fa tia tsy mitony !