Mbola Manina Ve

A: Mbola manina ve, no dia mametrapetraka
B: Vointenanareo, hanimba ilay fihavanantsika
A: Ianao no adala ramatoa, fa miavo-tsahala
B: Na ts’isy todiny aza izao e! andrasako ny rariny

A: Samia ary masina an-taniny
Ianao no tsy tia, zahay koa mianjona
Fitia tsy tanteraka ve ramatoa
No hanaovana andolom-po
Hadalanao mihevitra izany

B: Aza kivy na mba taitra,
Ô ry tia fihavanana eto
Mba tsy hahatsapa ny mafaitra,
Mbola hiandry rariny eto!
Ny ratsy ataon’ny olon-tiana mampanjohy ny ranomaso
No sakanan’ny havana fa ny rariny andraso
Ny rariny andraso

B: Raha ny hava-nitokiana e, no manjary be ankaso
Aiza re ‘ty fahoriana e, ao ny rariny andraso e
Fitia tsy andrin’olon-kafa dia handrasako ihany
Aoka izay aloha ny tafa e, aoka koa ny tomany