Ny Foko Vao Nitia

Izany foko vao nitia,
matokia fa ho anao ho doria
ka na iza na zovy hifofo,
ny fitiavako anao no porofo

Raha tojo adin-tsaina mampanahy
matokia raha mbola manana ahy
fa ny toky sy ny voady izay nekeko
no vavolombelon’ny fitia ’zay nomeko

Hiara-dia izaho sy ianao
hifampitantana ka tsy hifandao
ka na ory na manana eto an-tany
tiako ianao hatreto ka hatrany