Ny Tia Sy Ny Tiana

Ny tia sy ny tiana
Ny tia sy ny tiana no tafaray
Fo ankiroa nefa tena iray
Sasatra foana ny mpankahala
Mpisompatra antsika e no lasa adala
Ny mpisompatra antsika eny ho lasa adala

Ny tia: mifamatotra mifangia
Ny fo: mifanojo fa samy tia
Tsy: an-tendromolotra f’ao anaty
Fitia: miara-belona, miara-maty
Tsy an-tendro molotra f’ao anaty, ny tia
Fitia, fitia miara-belona miara-maty.

Vizana foana izay te hanjola
Ny vita fanamby hono tsy mba tola
Lamban’akoho ka tsy hiraraka
Ny fasana ihany no hampisaraka
Lamban’akoho ka tsy miraraka
Ny fasana ihany no hampisaraka