Vorompotsy Miaradia

’Zany tiana, ka ny tiako dia hitako ihany
O re roy e, tsy miova, tsy mifindra
Miara-mamindra, miangola, mitositosy
Eo anilan’ny tiana, eo akaikin’ny lala (X2)

Vorompotsy miara-dia
Vorondreo tsy mifanary
Voromanga mahalala havana
Miara-dia, miara-dia, miriaria (X2)

Mba tohano, mba tantano dia mila hirona
O re roy e, ento mora, ento mora
Miara-mamindra, miangola, mitositosy
Eo anilan’ny dada, eo akaikin’i neny

Vorompotsy miara-dia
Vorondreo tsy mifanary
Voromanga mahalala havana
Miara-dia, miara-dia, miriaria